Mamin’ny foko, ry Jeso ô ! Ny famonjena izay vitanao; Ny hadisoako navelanao Tena afaka aho mandrakizay. Jeso malala ô ! Mpamonjy soa! Indro ny aiko raiso ho Anao ; Velon-kanompo, velon-kanoa, Vonon-kanao izay sitrakao. Tano ny foko, ry Jeso tia! Zaza tsy mahasaraka Anao; Mbola malemy mora mania, Tano hifikitra ao aminao. Jeso malala ô! sns… Aoka ny foko sy ny fonao Hiara-mitepo tena iray; Aoka ny saiko sy ny sainao Hiray safidy mandrakizay. Jeso malala ô ! sns… Mel : Phoebe Palmer Knapp 1873 [ASSURANCE] Text: Frances "Fanny" Jane Crosby 1873 "Blessed Assurance" Malagasy: "Mamin’ny foko, ry Jeso ô" Protestant Madagascar Hymnal 2001 No. 480 Web : http://www.liederschatz.net