Raisonao, ry Tompo soa Izato asan-tananay Fa nomenao avokoa Izay rehetra anananay Simba izahay rehetra Sady very hatrizay Nefa soa tsy misy fetra No navalinao anay Hianao nanetry tena Tsy nitandro henatra Be fiantra ka onena Ny tra-pahoriana Mba tsarovanay izany Koa dia tahafinay Nefa fiasana ihany Ao an-tananao izahay Arosoy sy ampitaro Aminay ny teninao Hazavao ny olo-maro Izay tsy mahalala Anao! Ny misaona mba vangio Ny kamboty inatrao Izahay izay taonga anio Mba ataovy irakao Eny, ry Mpamonjy tsara Amboary izahay Mba ho tonga mpanambara Ny fitianao anay Ary dia mba tahio Izato fikambananay Hafanao, ampirisiho Hamasino izahay Mel : William Howard Doane 1871 [PRECIOUS NAME] Text: Lydia Odell Baxter 1870 "Take The Name Of Jesus With You" MG : "Raisonao, ry Tompo soa" Web : http://www.liederschatz.net