Efa velona ny Tompo Fa nitsangana tokoa; Resiny ny fahavalo, ‘Lay mpihaza aina soa; :,: Velona ny Tomponao, Resiny ny rafinao. :,: Matokia, ry mpanota, An’i jeso Avotrao, Fa ny ota nahadiso Afaka tokoa izao; :,: Velona ny Tomponao, Afany ny helokao. :,: Eny, fa nitsangana ela Jeso Kristy Tomponao, Ka namoha vavahady Any mba hidiranao; :,: Velona ny Tomponao, Ka efa nialoha anao. :,: Mel : Winfield Scott Weeden 1896 [ALL TO JESUS I SURRENDER] Text: Judson Wheeler Van DeVenter 1896 "I Surrender All" MG : "Efa velona ny Tompo" Protestant Madagascar Hymnal 2001 No. 128 Web : http://www.liederschatz.net